Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    SOMBIN-BAOVAO

    Atletisma

    Hiatrika ny lalao olympika i Franck

    Anisan’ny iray amin’ireo atleta enina misolotena ny Malagasy amin’ny fiatrehana ny lalao olympika any Tokyo, manomboka rahampitso io Rabearison Todisoa Franck. Taorian’ny fiadiana tompondaka eran-tany ny taranja atletisma  natrehiny tany Doha, ny volana oktobra 2019 teo, nahazo ny tapakila  hahafahany hiatrika ny lalao olympika indray i Todisoa Franck. Ny hampivoatra ny zava-bita tsara indrindra vitany “46 minitra sy 60 ampahazatony” no tanjona voalohany ho azy mandritra ity fifaninanana tanterahina any Tokyo ity.

    208 Rally Cup

    Handray anjara i Louvel

    Mikendry ny handrombaka amboara indray i Hugo Louvel, taorian’ny nahazoany ny laharana fahatelo sy ny laharana voalohany teo amin’ny sokajy “junior” tamin’ny fifaninanana. Marihina fa hanomboka ny faran’ny herinandro izao ny fiodinana fahatelo amin’ny fifaninanana Peugeot 208 Rally Cup tontosaina any andrefan’i Frantsa.

     

    Tsiferana R.

    Les commentaires sont fermées.