Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Saika haondrana an-tsokosoko any ivelany…: vato ametista sy safira valo kaontenera saron’ny ladoany

Saika haondrana an-tsokosoko any ivelany…: vato ametista sy safira valo kaontenera saron’ny ladoany

Vato tsotra na “pierres industrielles” no voasoratra tao anaty fanambarana fanondranana entana. Tsy izany anefa no hitan’ny mpiasan’ny ladoany tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina tao anatin’ireo kaontenera miisa valo be izao fa vato sarobidy, toy ny ametista sy vato safira.

Tsy kely lalana ny ratsy! Tambajotra goavana no tompon’antoka sy ambadik’ireto kaontenera miisa valo amin’ny “20 pieds” tafiditra tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ireo ary efa saika haondrana any Sina, araka ny fampitam-baovao voaray avy eo anivon’ny ladoany. Raha ny angom-baovao voaray, fanambarana diso no tao amin’ny antontan-taratasin’entana haondrana ka anisan’ny nanamora ny fampidiran’entana an-tsokosoko sy hanaovana hosoka. Teo koa ny famonoana ny scanner mba hahafahan’ny entana hanaovana fanambarana hosoka miditra moramora ao amin’ny faritry ny seranan-tsambo.

Efa niandry ny sambo hitondra ireo vato sarobidy…

Efa teo am-piandrasana ny sambo hitondra azy ireto vato sarobidy ireto kanjo izao sarona tampoka izao. Voalazan’ny fampitam-baovao hatrany fa efa hatramin’ny alahady 18 jolay 2021 lasa teo no efa nahazo loharam-baovao ny teo anivon’ny ladoany fa saingy ninia nangina sy tsy nandrenesam-peo momba ity raharaha ity. Niroso tamin’ny fisavana ireo kaontenera avy hatrany ny teo anivon’ny ladony ka hatramin’ny omaly alarobia, kaontenera roa no efa vita fisavana sy fanaborahana ny entana rehetra tao anatiny. Vokany, vato tsotra “pierre industrielles” ny fanambarana tao anatin’ny antontan-taratasy kanefa dia nahitana karazam-bato sarobidy toy ny “ametiste” sy safira no tao anatiny. Mandeha, araka izany, ny fanadihadiana momba ity raharaha ity. Marihina fa hanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety, anio, ny tale jeneralin’ny ladoany momba ity raharaha ity izay efa any an-toerana hatry ny omaly.

Sajo/J.C

Les commentaires sont fermées.