Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Nolazainy fa fomban’izy ireo…: voasazy dimy taona am-ponja ilay ray nanolana an-janany

    Nolazainy fa fomban’izy ireo…: voasazy dimy taona am-ponja ilay ray nanolana an-janany

    Tsy namelan’ny fitsarana raha tsy mamita sazy am-ponja ilay raim-pianakaviana nahavita nanolana ny zanany naterany. Nilaza ilay raim-pianakaviana fa fomban-tanin’izy ireo ny miaraka amin-janaka vavy…

    Ho an’ny antontan-taratasin’ady laharana faha 146-Toa/20 hanenjehan’ny fitsarana an’i Mazoasy 60 taona dia fanolanana ny zanany vao 15 taona monja. Raim-pianakaviana efa misotro ronono ary efa nisaraka tamin’ny vadiny ka ny zanak’izy ireo vavy 15 taona no nirahin-dreniny maka vola ho fanohanana ilay zanany satria any amin’ny reniny no mipetraka izy. vokatr’izany, nanomboka teo amin’ny faha-12 taona no efa nanaovan-drainy ny filan-dratsiny ilay zanany vavy, saingy efa tamin’izy 15 taona vao fantatry ny reniny izany. Raha ny voalazan’ny antontan-taratasin’ady, noho ny loharanom-baovao nomen’olona mahatsikaritra ny raharaha ataon’izy mianaka isaky ny tonga ny fotoana fakam-bola fisotroan-dronono no nilaza tamin’ny renin’ilay ankizivavy ka niezaka nanara-maso izany tokoa ny reniny. Vokany, tratran-dreniny niaraka tamin-drainy tokoa ity zanany vavy, tsy afa-nihetsika intsony. Nilaza ity ray nahavanon-doza ity nandritra ny fiarovan-tenany fa fomban’izy ireo ny manambady anaka ary ny rainy no manao firaisana ara-nofo voalohany amin’ny zanany vavy. Taorian’ny fifandaharana, nilatsaka ny sazy famonjana asa an-terivozona dimy taona ho an’ity raim-pianakaviana nahavanon-doza ity.

    Sajo/J.C

    Les commentaires sont fermées.