Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

  Major League Soccer : hiverina hiakatra kianja i Romain Metanire

   Major League Soccer : hiverina hiakatra kianja i Romain Metanire

 

Taorian’ny tsy fahafahan’i Romain Metanire niatrika ny lalao nifanandrinan’ny kliobany tamin’ny San Jose sy ny Colorado, herinandro vitsy lasa izay, afaka hanatevina ny ekipany ity vodilaharana havanana malagasy ity, amin’ny asabotsy ho avy izao. Rehefa taraiky tao Frantsa noho ny olana tamin’ny pasipaoro, nilamina ary nahazo ny karatra maitso hahafahany mihazo an’i Amerika ihany ny lehilahy. Ity vodilaharana ity, izay anisan’ny andry iankinan’ny klioban’ny Minneosta United tanteraka, ankehitriny. Porofon’izany ny tsy nahafahany nilalao tamin’ny fifandonana ny klioban’ny Colorado ka naharesy ny Minnesota, ny 8 jolay lasa teo. Hita soritra tamin’izany ny fahabangan’ilay “machine” malagasy. Efa hiverina hilalao hanatevina ny ekipany ary hifandona amin’ny klioban’ny Portland Timbers kosa i  Metanire, ny alin’ny asabotsy ho avy izao ao amin’ny kianjan’i Allianz Field.

Tsiferana Randriatiana

Les commentaires sont fermées.