Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Maep: ifantohana ny fahavitan-tena ara-tsakafo

Maep: ifantohana ny fahavitan-tena ara-tsakafo

Mahatratra 19.000 ha ny velaran-tany nampiasana masomboly safiotra iarahana amin’ny firenena sinoa. Nahatratra 11 t/ha ny vokatra.

Maromaro ny paikadim-pampandrosoan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny jono (Maep) amin’ny seha-pihariana samihafa. Isan’izany ny fanapariahana ny karazam-bary safiotra manerana ny Nosy. Velaran-tany 18.511 ha no nambolena ity karazam-bary safiotra ity tato anatin’ny roa taona tany amin’ny distrika miisa 35, anaty faritra 10. Misy tamin’ireo tantsaha nahazo vokarta 11 t/ha. Ho tohin’izany, hisy tetikasa lehibe hiarahana amin’ny firenena sinoa, hamokarana masomboly safiotra milanja 2.000 taonina, hambolena any amin’ny velaran-tany maherin’ny 19.000 ha. Tanjona ny hahaleotena amin’ny vary an’i Madagasikara, ka tsy tokony hanafatra avy any ivelany intsony.

Tetikasa AD2M any Menabe

Ankoatra izany, manohana ny seha-pihariana tsaramaso any amin’ny faritra Menabe ny Maep. Nidina tany Miandrivazo ny talen’ny fampiroboroboana ny fambolena, Ramananjanahary Harivony sy ny talem-paritra Maep Menabe, Andriamiarinera Hajanirina, niaraka tamin’ny teknisian’ny tetikasa AD2M. Hita fa tsara ny vokatra sady sahaza ny tany any amin’ny kaominina Andranomainty ny tsaramaso. Resy lahatra ny tantsaha hampiasa ny teknikam-pambolena natoron’ny tetikasa AD2M. Miroborobo koa ny fiompiana tantely any Menabe sy Melaky, tohanan’ity tetikasam-pampandrosoana ity.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.