Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ireo nisitraka ny famatsiam-bola: mpivarotra anana sy mpanao rarivato…

Ireo nisitraka ny famatsiam-bola: mpivarotra anana sy mpanao rarivato…

Anisan’ny nijoro vavolombelona tamin’ny fahazoana izao famatsiam-bola izao ary nisitraka izany tamin’ny alalan’ny “Asa avotra” ny renim-pianakaviana iray, Ratasivololona Miora. Manambady ary niteraka roa. Nanampy ny vadiny teo amin’ny sehatry ny fizahantany ny tenany. “Tratran’ny fihibohana anefa izahay ka tapaka ny fidiram-bola ary sahirana tao anatin’ny herintaona sy tapany”, hoy izy. Nisitraka ny famatsiam-bola izy ireo ary nahazo fiofanana ka nisehatra teo amin’ny fanaovana rarivato. Efa faniriany fony fahakely ny hanao izany, saingy tsy vita noho ny fijanonana amin’ny fianarana. “Hanangana orinasa kely izahay ary hanana fidiram-bola tsaratsara kokoa mba hampivoatra anay sy ny fiarahamonina”, hoy izy.

Mamanontena sy manan-janaka dimy kosa Jaofera Bodonarindra. Telo taona ny zandriny indrindra raha 17 taona kosa ny zokiny indrindra amin’ireo zanany ireo. Mpivarotra anana kosa indray izy ary tsy afaka nanao izany noho ny hamehana ara-pahasalamana. Nampiasa vola 1 0000 tamin’izany fivarotana izany. Nisitraka ny tetikasa « Miarina » avy eo ka niverina nivarotra anana. « Tafakatra 2 5000 ny vola nampisaiko ary nahazoana tombony  10 000 izany. Efa misy hatao sakafo sy tahiry kely. Faniriana ny hiompy kisoa rehefa mahangona vola ividianana izany… », hoy izy.

Les commentaires sont fermées.