Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Gadra telo lahy nivoaka ny fonja…: mbola mitohy ny fikarohana sy ny fanadihadiana

Tsy mbola hita hatramin’izao ireo gadra telo lahy tafavoaka ny fonjan’i Betroka, ny zoma lasa teo. Mbola manohy ny fikarohana ireo tompon’andraikitry ny fonja ao an-toerana, efa misokatra ihany koa ny fanadihadiana mahakasika ny raharaha. Araka ny fanadihadiana, nentin’ny mpandraharaha ny fonja iray nivoaka ny fonja ireo gadra telo lahy mba hiasa sy hanamboatra biriky any aminy. Tao anatin’izay anefa, nanararaotra nitsoka ireo gadra ary tsy mbola hita. Fantatra fa olona meloka migadra-pahafaty ireto tafavoaka ny fonja ireto noho ny vono olona nataon’izy ireo tao Tsivory, ny taona 2013.

« Tsy nahazo tatitra mahakasika an’io tranga io aho ary tsy naheno izany raha tsy ny asabotsy maraina teo tokony ho tamin’ny 09 ora », hoy ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny fonjan’i Betroka. Nambarany fa nandray ireo vahiny sy ireo fikambanana iraisam-pirenena tao an-toerana izy, ny zoma kanefa tsy nisy nampahafantatra azy ny zava-nisy tao amin’ny fonja iadidiany. Ankehitriny, efa mandeha ny fikarohana ireo voafonja nitsoaka, misokatra ny famotorana rehetra. Hanaovana fanadihadiana ihany koa ilay mpandraharaha ny fonja nitondra azy ireo nivoaka.. Voalaza  fa nanao « abandon de poste »  nandritra ny fotoana maharitra io mpandraharaha ny fonja io andro vitsy talohan’ny tranga. Maro ihany koa ny tandrevaka nataony tamin’ny asany, hoy hatrany ny fanazavana voaray.

Amin’izao fotoana izao, nohamafisina ny fiambenana ny fonja, manao ny fikarohana ireo gadra tafatsoaka ihany koa ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Handrasana ny tohin’ny raharaha.

 

Henintsoa Hani

Les commentaires sont fermées.