Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

      Fotoam-pialantsasatra: tsy ampy lalao iombonana ny tanora

       Fotoam-pialantsasatra: tsy ampy lalao iombonana ny tanora

     

    Miditra tsikelikely ao anatin’ny fialantsasatra lehibe ny ankamaroan’ny mpianatra ankehitriny. Samy mikatsaka izay ho fialamboly ho an’ny zanany ny ray aman-dreny. Miharihary ny lesoka satria zary miteraka asa saina goavana ho azy ireo izany. Toa tsy afaka misafidy akory aza izy ireny, noho ny fahavitsian’ny fialamboly, anisan’izany ireo lalao iombonana na iraisana.Ho an’ny eto an-dRenivohitra sy any amin’ny tanàn-dehibe sasany, saika ireo foibe na ivontoerana vahiny misahana ny kolontsaina no hany mba ahitana izany isaky ny vanim-potoana fialantsasatra lehibe tahaka izao. Manana karazany maro amin’ireny lalao iombonana ireny anefa ny Malagasy.

    Io fifanoherana io no manam-porofo fa mbola tena tsy manisy vidiny sy lanjany ny kolontsainy ny Malagasy. Tsy menatra manoloana ireo ezaka ataon’ny vahiny amin’ny fampiroboroboana ny lalao iombanana ny Malagasy. Sa ve izy ireny indray no mahafantatra bebe kokoa noho ny Malagasy ny momba ny fanorona, ny katro, sns, ka aleo ataony ny fikarakarana rehetra? Azo eritreretina ihany izany satria raha ny vinavinan’ireo mpilalao fanorona eto Madagasikara: “eo ho eo amin’ny 98,82%-ny tanora malagasy latsaky ny 18 taona, miaina an-dRenivohitra sy an-tanàn-dehibe dia tsy mahay milalao fanorona avokoa. Miakatra 99,87% io raha amin’ny lalao katro” (Tarehimarika nalaina tany anivon’ny sekoly).

    HaRy Razafindrakoto

     

    Les commentaires sont fermées.