Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fikasana hamono ny filoha Rajoelina: teratany malagasy sy vahiny maromaro voasambotra

Fikasana hamono ny filoha Rajoelina: teratany malagasy sy vahiny maromaro voasambotra

 

Nanao fanambarana ny eo anivon’ny fitsarana amin’ny alalan’ny Tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny fitsarana ambony, Razafiarivony Berthine Landy, omaly. Nampahafantarina tamin’izany fa voasambotra ireo teratany vahiny sy Malagasy maromaro, nikasa hamono ny filoha Rajoelina Andry.

Nampiantso mpanao gazety maika ary nanao fanambarana tamin’izany ny Tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny fitsarana ambony, Razafiarivony Berthine Landy,  omaly hariva tamin’ny 7 ora tetsy Anosy. Nambarany tamin’izany fa voasambotra ireo teratany vahiny sy teratany Malagasy ahina ho voarohirohy nikasa hamono ny filoham-pirenena. “Mampahafantatra ny besinimaro fa voasambotry ny mpitandro filaminana, ny talata 20 jolay lasa teo izy ireo. Efa ao anatin’ny fanadihadiana ny momba izany amin’izao fotoana izao ny mpitandro filaminana noho ny fanohintohinana ny filaminam-bahoaka. Efa nanomana drafitra goavana hamono tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena izy ireo. Anisan’izany ny filoham-pirenena”, hoy  izy. Tsy mbola namoaka ny antsipiriany sy ny fanazavana fanampiny  manoloana izao raharaha izao ny eo anivon’ny fitsarana.

Efa nisy ny fikasana hamono filoha

Tsiahivina fa tsy vao voalohany izao nikasana hamono ny filoha Rajoelina Andry izao. Anisan’izany ny tamin’ny 3 marsa 2011 tamin’ny 7 ora sy sasany hariva, teny amin’ny lalana Marais Masay. Nametrahana baomba vita tanana teny an-toerana amin’ny fotoana handalovany, fony filohan’ny Tetezamita ny tenany.  Voasambotry ny Sampandraharaha misahana ny fanaraha-maso ny atitany (DST) Randriatsarafidy Vahinitiana na i Rinah tamin’izany. Voalaza fa mpamilin’izany Randrianisa Marc izany izy io ary ary voasambotra ny 4 marsa 2011. Fantatra tamin’izany fa mizaka ny zom-pirenena frantsay ary mpikambana tao amin’ny Gasy tia tanindrazana – GTT, nanana fifandraisana tamin’ny teny amin’ny kianjan”ny Magro tamin’izany io Randrianisa Marc io.

Fifofoana ny ain’ny Jly Ravalomanana Richard

Etsy an-daniny, vao herinandro vitsy no nahasamborana ireo nifofo ny ain’ny mpitondra ambony, anisan’izany ny Jly Ravalomanana Richard. Efa nampidirina am-ponja vonjimaika izy ireo, amin’izao fotoana izao.

Araka izany, nipoitra indray izany izao ity raharaha ity ka andrasana ny ho tohin’ny fanadihadiana sy ny famotorona, miainga amin’ireo vahiny sy Malagasy voasambotra ireo.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.