Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiaraha-miasa ara-miaramila: haka traikefa amin’ny Sinoa ny Tafika Malagasy

Fiaraha-miasa ara-miaramila: haka traikefa amin’ny Sinoa ny Tafika Malagasy

Nivoitra nandritra ny fihaonana teo amin’ny tompon’andraikitry ny fiarovan’ny masoivohon’i Sina eto Madagasikara, ny Kly Wang Tao sy ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika, ny Jly Sahivelo Monja Delphin, omaly, teny amin’ny toeram-piasany eny Andohalo ny fanamafisam-piaraha-miasa eo amin’ny Tafika Malagasy sy ny firenena sinoa amin’ny alalan’ny fanofanana ara-miaramila sy ny fampitaovana manokana ny Tafika. Voaresaka tamin’izany ny endrika hanamafisana ny fiaraha-miasa, indrindra ny fifandraisana. « Azo lazaina fa mivelatra amin’ny firenena maro ny Tafika mba ho tombontsoan’ny firenena malagasy ary mankasitraka hatrany ny firenena sinoa amin’izao ezaka goavana ataon’izy ireo amin’ny Tafika Malagasy izao ary manantena ny hitohizan’izany hatrany », hoy ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika. Nomarihin’ny Kly Wang Tao kosa fa efa nianatra nandritra ny herintaona tany Sina ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika ka isan’ny nanamora ny fifandraisana ara-tafika ka izany rahateo no anton’izao fanamafisana ny fiaraha-miasa izao.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.