Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Famatsiam-bola: hivory tsy ara-potoana ny parlemanta

Nolanian’ny filankevitry ny minisitra, omaly, teny Iavoloha ny didim-panjakana mampiantso fivoriana tsy ara-potoana ireo parlemantera  ny 3 aogositra izao. Anisan’ny anton’ny fivoriana ny ahafahana manome fankatoavana ny fifanarahana fiaraha-miasa amin’ny Banky iraisam-pirenena sy ny hampiasana izany famatsiam-bola izany. Tafiditra ao anatin’izany ilay famatsiam-bola mitentina 490 tapitrisa dolara natao sonia, omaly, teny Iavoloha.

Hividianana vaksiny ny 100 tapitrisa dolara

Tsiahivina fa mitsinjara tahaka izao izany hampiasana ny vola izany. Eo aloha ny 100 tapitrisa dolara hatokana hanamafisana ny tetikasa hividianana vaksiny hiarovana amin’ny covid-19… Hohamafisina amin’izany koa ny lafiny ara-pahasalamana.

Hatokana ho amin’ny tetikasa ara-toekarena kosa ny 150 tapitrisa dolara na ilay antsoina hoe “projet de transformation economique pour la croissance inclusive (Pic 3), ahafahana manarina io sehatra io, taorian’ny krizy ara-pahasalamana.

Ny momba ny “Fond souverain”

Ny 200 tapitrisa dolara kosa, ho an’ny tetikasa maharitra momba ny fanamboaran-dalana. Tafiditra ao anatin’izany ny lalana mirefy 1 200 km. Manampy izany ny 40 tapitrisa dolara hatokana ho an’ny fambolena. Ezahina horaisina mandritra io fivoriana ara-potoana io ny fanapahanan-kevitra momba ny antsoina hoe “Fond souverain”, araka ny tatitry ny filankevitry ny minisitra hatrany.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.