Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Croix rouge Allemand: mandeha ny fanalefahana ny fiantraikan’ny loza

Efa mandeha ny tetikasa vaovao entina hanalefahana ny tranga miseho an-tanàn-dehibe vokatry ny loza voajanahary  sy ny loza hafa. Anisan’izany ny tondra-drano, ny haintrano, ny valanaretina ary ny tsy fandriampahalemana. Iarahana amin’ny Croix rouge Malagasy ny Croix rouge Allemand  ary ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny BNGRC izany tetikasa fanalefahana ny fiantraikan’ny loza mety hiseho izany. Efa nampiharana ny tetikasa ny tao Antetetzana Afovoany I, ny 12 ka hatramin’ny 19 jolay teo. Nojerena ifotony ny olana teny anivon’ny fokontany ary iaraha-mijery kosa ny vahaolana mba hampihena ny fiantraikan’ny loza raha sanatria mitranga izany. Marolafy ireo sehatra miara-midinika ny vahaolana toy ny fikambanana misy ao amin’ny fokontany, ny sefom-pokontany, sefom-paritra, ny fikambanan’ny olona manana fahasembanana, ny zokiolona, ny sekoly, ny fiangonana, RF2, ny solontenan’ny fahasalamana eny ifotony….

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.