Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

 Antsa tononkalo sy hira: haseho an-tsehatra ny “Ants’hira”

 Antsa tononkalo sy hira: haseho an-tsehatra ny “Ants’hira”

 Vao tsy ela akory izay ny antsan-tononkalo “Sogam-bolana” nataon’ny Mpizaka Stelarim… Hotanterahina etsy amin’ny Craam Ankatso ny “Ants’hira”, anio alakamisy 22 jolay manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, izay iarahana amin’ireo poeta sy mpihira manandratra ny maha Malagasy. Ho tazana eny an-tsehatra, araka izany, ry Olontsoa Ikoriantsoa, Ando Harinjaka, Haintso Nirina ary i Avotra Lemada. Ity farany izay hivoy ny mozikany mandritra ny fampisehoana. Hetsika maimaim-poana azon’ny rehetra atrehina izy ity, indrindra ireo mpankafy ny zavakanto malagasy. Hafana tanteraka ny seho satria anisan’ireo poeta manana ny maha izy azy amin’izao vanimpotoana izao izy ireo, hifandimby haneho ny sanganasany avy. Ao anatin’ny fampisehoana etsy amin’ny Craam ity dia mipetraka hatrany ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina coronavirus. Ivontoerana anisan’ny manome vahana ny zavakanto malagasy ny Craam Ankatso, ankoatra ny tononkalo, maro ny seho efa hita tao, raha tsy hilaza afa-tsy ny Slam…

 Narilala

Les commentaires sont fermées.