Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    AFT Andavamamba: nodimandry Rakotoson Andriambala

    AFT Andavamamba: nodimandry Rakotoson Andriambala

    Rakotoson Andriambala, endrika sy anarana tsy zovina amin’ireo mpivezivezy ao amin’ny Alliance Française Andavamamba. Fantatra fa nodimandry, omaly, ity tale jeneraly lefitry ny AFT teo aloha ity, araka ny vaovao nampitaina avy tao amin’ny toeram-pampianarana ny teny frantsay ity ihany. Mpikambana maharitra tao amin’ny Filankevi-pitantanan’ny AFT ihany koa izy, ankoatra ny andraikitra maro efa notanany. Olon’ny fanabeazana sy ny kolontsaina hatramin’izay Rakotoson Andriambala. Efa “proviseur” an-taonany maro tao amin’ny Lycée Andohalo izy. Nampianatra sy nizara fahalalana foana ihany koa.
    Filazana manjo roa no indray nivoaka tao amin’ny AFT Andavamamba, omaly. Fantatra ihany koa fa nodimandry Rakotondravao Tovonjanahary, fantatra amin’ny anarana hoe Tovo Be. Efa mpiasa teo anivon’ny AFT nanomboka ny taona 2002 izy.

    Zo ny Aina

    Les commentaires sont fermées.