Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Habibiana tao Ambohimanarivo: efa misy ireo ahina ho namono ilay mpanangom-bokatra

Anatin’ny fanadihadiana ny raharaha vono olona mahatsiravina niseho tao amin’ny fokontany Ambohimanarivo Tanambe ny zandarimaria ao an-toerana, ankehitriny. Efa misy, hoy izy, ireo olona ahina namono tamin’ny fomba feno habibiana an’ilay raim-pianakaviana mpanangom-bokatra. Saingy mbola miandry ny fandevenana ataon’ireo fianakaviana any atsinanan’Ambatolampy ireo mpitandro filaminana vao afaka miroso amin’ny famotorana lalina. Tsiahivina fa maty votifitr’ireo jiolahy tao an-tranony io raim-pianakaviana 41 taona io, ny harivan’ny zoma lasa teo tokony ho tamin’ny 07 ora sy sasany. Niditra an-keriny tao an-tranony ny jiolahy miisa dimy nirongo basim-borona miisa roa sy zava-maranitra. Nandroba vola mitentina 11 tapitrisa Ar tao amin’ny tompon-trano ireo jiolahy. Tsy vitan’izay fa mbola notifirin’izy ireo ilay raim-pianakaviana ary mbola notetehin’izy ireo tamin’ny antsy ihany koa ny lohany.

Taorian’ny tranga, nivory avy hatrany ny tompon’andraikitra ara-panjakana ao an-toerana niaraka tamin’ny mpitandro filaminana, ny asabotsy teo. Tapaka tamin’izany fa mihatra avy hatrany ny tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina manomboka amin’ny 09 ora mandra-maraina, hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao.

 

Henintsoa Hani

Les commentaires sont fermées.