Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fampivelarana ny kabary: tsy mahamaika ny fandikan-teny

    Fampivelarana ny kabary: tsy mahamaika ny fandikan-teny

    Efa nisy ny nanao, fa maro ihany koa ny tsy mankasitraka! Hatreo amin’ny fampivelarana ny kabary, mbola iombonana ny hevitra. Fa raha vao miroso amin’ny tetika sy ny paika hanatanterahana izany, misaraka ny dian’ireo mpikabary sy mpikaroka. Satria anisan’ny mahaliana ny vahiny ny hahay ny kolontsaina malagasy, roboka nampahafantatra izany an-dry zareo ny mpikabary sasany. Nanjary natao tamin’ny fiteny frantsay, ohatra, ny kabary fanateram-bodiondry satria vahiny ralehilahy. Tao ihany koa ny nandika sy namadika ny kabary malagasy amin’ny fiteny vahiny ka namoaka izany ho boky.

    Io farany io no tena nahazo fanankianana fatratra satria, tsy manome lanja intsony ilay soatoavina (hasina, hevitra, fahendrena, tsilo saina, sns) ao anatin’ny kabary malagasy. Noho izany, tsy mahamaika ny fandikan-teny, raha  ny nambaran’ireto mpikabary ireto satria be loatra ny zavatra very raha toa ka atao amin’ny fiteny vahiny ny kabary malagasy. Very ireo tena hevi-dehibe (fahendrena) fonosin’ny ohabolana sy ny hainteny, sns, any anaty kabary. Ahoana tokoa moa no ahafantaran’ny vahiny ny hevi-dehibe momba ny lamba (voaresaka matetika any anaty kabary malagasy) kanefa ilay atao hoe “lamba” aza tsy fantany akory?

    Ny taranaka aty aoriana no mila ampahafantarina ny kabary fa tsy ny vahiny no hihazakazahana tolorana ny zava-tsy fantany!

    HaRy Razafindrakoto

    Les commentaires sont fermées.