Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsy izay hoe handamina indray no mamono…    

Tsy izay hoe handamina indray no mamono…    

Nomena tombondahiny manokana tamin’ny fanitsiana ny tetibolam-panjakana, taona 2021, ny fahasalamana, ny fanabeazana, ny fandriampahalemana. Atao ho zava-dehibe sy maika izany. Mby aiza? Hatramin’izao, anisan’ny mbola mampikaikaika ny maro eny ifotony ny tsy fandriampahalemana tsy an-tsaha, tsy an-tanàna, tsy an-dalana…

Tsy lavina, efa manao izay afany sy efany ny fitondram-panjakana foibe. Efa hita soritra, ohatra, fa mihena ny trangana herisetra, araka ny tatitra ofisialy. Saingy, mihamahery vaika ny fanaovana herisetra, na mihena aza ny isan’izany etsy sy eroa. Mihena koa ny fakana ankeriny an-drenivohitra fa tsy ilaozan’izany ny any amin’ny faritra sasany.

Ny amin’izay herisetra izay, mahabe resaka tato ho ato ny amin’ny herisetra afitsoky ny mpitandro filaminana sasany amin’ny fanaovana famotorana. Nahoana? Eo ny fiheveran-tena diso amin’ny toerana isiana sy izay atao: matanjaka ka mampiasa hery any amin’ny tsy izy, lehibe tsy meloka, tsimatimanota, misy miaro amin’ny ratsy atao…

Tsy lavina ihany koa, efa misy ny fanenjehana sy famaizana an’ireo mpitandro filaminana mandika lalàna. Saingy, misy hatrany ny manjakazaka any ifotony any amin’izay heverina ho tany lavitra fanjakana… foibe. Misy ve ny fanaraha-maso? Na tonga hatrany ifotony ny baiko na teny midina amin’ny asa, miakatra sy ara-potoana ny tatitra avy any…

Indraindray, efa mirongatra sy zary resabe amin’ny tambajotra-tserasera sosialy, ohatra, ny trangan-javatra sasany vao vonjivonjena: hamarinina, hahitsy… Manjary miteraka tsy fifampitokisana tsy fidiny eo amin’ny vahoaka ifotony sy ny fitondram-panjakana noho ny afitsoky ny mpitandro filaminana sasany izay mitranga sy iainana?

Ilaina ary takina hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana amin’ny fampanjakana ny fandriampahalemana, ny fikarohana sy ny fanenjehana ny olon-dratsy… Saingy, zava-doza raha izay natao hiaro indray no mamono, izay natao handamina indray no manakorontana, izay tokony hitokisana indray no mampanahy… ?

Rafaly Nd.  

 

Les commentaires sont fermées.