Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Hetsiky ny mpanohitra: mitaky Repoblika fahadimy ny “Miara-manonja” any Frantsa

    Hetsiky ny mpanohitra: mitaky Repoblika fahadimy ny “Miara-manonja” any Frantsa

    Vahaolana hamonjena ny firenena ny firosoana amin’ny Repoblika fahadimy”, hoy ny “Miara-manonja” atsy La Reunion sy ny any Frantsa. Nanao hetsika fidinana an-dalambe, narovan’ny mpitandro filaminana, izy ireo ny asabotsy teo, nanehoana izany fitakiana izany. Tafiditra amin’izany Repoblika vaovao izany ny fanomezan-danja sy fahefana ny fokonolona. “Tanterahina aloha ny fifidianana eny anivon’ny fokontany vao miroso amin’ny fifidianana samihafa”, hoy izy ireo. Eo koa ny HCC tsy mitanila, miaraka amin’ny fanadiovana ny lisi-pifidianana vaovao, tsy hisehoan’ny anarana miverin-droa. Ny fametrahana lalàna mametra ny fandaniam-bola ho an’ny fampielezan-kevitra. Ny fampiakarana ireo tompon’andraikitra mpangala-bato rehetra sy ny nanodinkodina ny volam-panjakana. Eo koa ny famerenana an-tanindrazana ireo vola sy ny fananan’ireo nanao izany any ivelany.

    Araka izany, ho tonga hatraiza izao hetsika sy fitakiana izao?

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.