Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lokanga sy Valiha: Mbola lalàn’ny hery, fa tsy herin’ny lalàna…

Mandra-pahoviana? Tsy inona io fa ny amin’ ny fitakian’i Madagasi­kara ny hamerenan’ny fanjakana frantsay an’ ireo Nosy malagasy ma­nodidina: ny Nosy Sam­batra (Glorieuse), ny Nosy Nandalova (Juan de No­va), ny Nosy Ampela (Euro­pa), ny Nosy Bedimaky (Bassas Da India). Efa iaraha-mahalala, ohatra, ny fehinkevitry ny Fire­nena mikambana (ONU), tamin’ny 12 desambra 1979, ny amin’ny tokony hamerenan’ny governemanta frantsay an’ireo Nosy malagasy manodidina ireo amin’i Madaga­sikara. Saingy tsy mbola misy ny tena fampiharana izay didy izay. Mbola ny lalàn’ny hery no manjaka, fa tsy ny herin’ny lalàna.
Tsy vaovao eo amin’ ny sehatra iraisam-pirenena ny lalàn’ny hery toy izany? Na mby amin’ny fitenenana hoe tsara mandrakariva ny hevitry ny matanjaka… Tsy mifankaiza amin’izany koa, ohatra, ny amin’ny fanaovam-baksiny fanefitry ny valanaretina Covid-19 amin’izao? Voalaza fa tsy ahazoana mankany sy mivezivezy any Eoropa ny vaksiny izao na izatsy. Eny, na tsy mbola misy aza ny didy aman-dalàna fa anisan’ny takina amin’ny fahazoana mandeha sy mivezivezy any Eoropa ny fahavitana vaksiny fane­fitry ny Covid-19. Avy eo, tanisaina indray ny vaksiny hoe mety sy mahomby. Fanaovana fanandramana ny raharaha?
Arakaraka ny tombon­tsoa iadiana sy arovana izay lazaina sy atao, fa tsy ino­na… Na eo amin’ny fiainana andavanandro aza, mbola eo hatrany izay lalàn’ny hery fa tsy herin’ny lalàna izay. Iza­ny no anisan’ny fototra sy fositra amin’ny fanjakazakana na fanamparam-pahefana afitsoky ny mpitandro filaminana sa­sany etsy sy eroa amin’ny asany? Vao tsy ela, ohatra, no nilaza ny filohan’ ny Filankevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCD­DED) fa misy ny miaramila amin’ ny Das no manampatra fahefana amin’ny fitakiana vary sy omby isan-kerinandro amin’ny vahoaka eny ifotony.
Tsy moramora ny fanajana sy fampiharan-dalàna amin’ny toy izany? Andra­sana koa, ohatra, ny tohiny sy farany ny amin’ny “Ra­haraha Bani Ivato”, izay nitranga vono olona nataona miaramila ary misy manam­boninahitra amin’izany. Ho vitavita sy tsy hitahita ho azy toy izay iheverana na ikendren’ny sasany azy ny raharaha? Tsy manaiky fampihavanana amin’izao ny fianakaviana manana ny maty. Misy antony ao matoa tonga amin’izany mivantana na ankolaka ny raharaha, fa tsy iandrasana izay tena fanajana sy fampiharana ny herin’ny lalàna velona. Ny lalàna dia lalàna? Mafy ny lalàna, nefa izay ny lalàna.
Na amin’ny zava-madini­ka aza, lehibe izay fanajana sy fampiharana lalàna izay: kely miantoka ny be. Izay atokisana amin’ny kely no azo antoka amin’ny lehi­be? Iaraha-miatrika sy iaraha-miaina isan’andro, ohatra, ny amin’ireo fepetra sakana amin’ny fiadiana amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19: ny fa­naovana arotava, ny fanasan-tanana ma­tetika, ny elanelana iray me­tatra… Vao mainka mila hamafisina izany amin’izao fanahiana ny fidiran’ny ka­razana Covid-19 hoe Delta izao. Tsy azo antoka ary tsy ha­homby ny ady atao, raha tsy misy ny fanajana sy fam­piharana lalàna… manankery: herin’ny lalàna.
Ahoana no hahatongavana amin’izay tena fiainana ny herin’ny lalàna fa tsy lalàn’ny hery izay? Eny, na eo aza ny hoe tsara mandrakariva ny hevitry ny matanjaka. Na izay mahery mandrakariva no heverina sy ekena ho azy ho manjaka; eny, na misy tsy araka ny lalàna aza. Tena mila fihenjanana ny hoe tsy misy eo ambonin’ny lalàna? Mi­ara-dalàna amin’izany ny fisian’ny ohatra hotahafina amin’ny fanajana sy fampiharan-dalàna. Tsy ekena ny fisian’ny tsikombakomba ratsy amin’ny tsy fanarahan-dalàna, ny fanjakazakana sy ny fanamparam-pahefana, ny fiheveran-tena ho tsimatimanota… Ady fiady.
Mila fahasahiana amin’ ny fikarohana sy famoahana izay tsy ara-dalàna na mihoa- pefy izany, fijoroana vavolombelona, fahalalana lalàna amin’ny dingana sy fom­ba amin’ny raharaham-pitsarana mba tsy ho resin’ny lainga tsara… Mitaky firaisankina eo amin’ny rehetra koa ny fanajana sy fampiharana ny herin’ny lalàna. Iza irery no ndeha hizaka lalàna eo raha mbola afa-manao izay danin’ny kibony ny hafa eo amn’ny sehatra sy ambaratonga rehetra. Amin’izay, miaro sy manafaka tokoa ny lalàna na manana ny heriny aza amin’ ny fandrindrana ny fiainana ankapobeny fa tsy famo­re­tana, sanatria.

R. Nd.

Les commentaires sont fermées.