Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Efa-dahy voaheloka 15 taona an-tranomaizina: zanaka polisy ny iray amin’ireo mpanao fanafihana mitam-basy

Efa-dahy voaheloka 15 taona an-tranomaizina: zanaka polisy ny iray amin’ireo mpanao fanafihana mitam-basy

Fampihorohoroana amin’ny basy, fampiasana moto hanaovana sinto-mahery finday, poketra…Fandrobana olona maka vola eny amin’ny kioska na handrotsa-bola eny amin’ny banky… Izany no santionany amin’ny heloka bevava vitan’ireto efa-dahy nohelohin’ny fitsarana higadra 15 taona an-tranomaizina, omaly, ireto. Marihina fa zanaka polisy ny iray amin’izy ireo.

Tsy nitsitsy ny fitsarana ambony misahana ny ady heloka bevava nandritra ny fotoam-pitsarana ny raharaha anenjehana an’i Ruddy Wasselin, 30 taona sy i Olivier tao amin’ny lapan’ny fitsarana ady heloka bevava Toamasina. Antontan-taratasin’ady laharana faha 20-Toa/21-2152-RP/20. Faharoa ny antontan-taratasin’ady laharana faha 13-Toa/21-973-RP/20 mirakitra ny raharahan-dry Soloniaina sy ny namany. Mitovy avokoa ny fanenjehana ara-pitsarana ireto antontan-taratasin’ady roa ireo dia ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana nanafika kioske sy olona avy naka vola tany amin’ny banky, fanendahana, halatra moto. Fikambanan-jiolahy sy fandrobana arahina fampiasana fitaovam-piadiana no heloka anenjehan’ny fitsarana azy ireto. Raha hiverenana ilay raharaha voalohany anenjehana ilay zanaka polisy sy Olivier, fandrobana vehivavy iray tao Tanambao fahadimy, ny 27 aogositra 2020 ka lasan’izy ireo tamin’izany ny poketrany. Ry zalahy koa no nanao fanafihana renim-pianakaviana tao Androranga, niezaka nanohitra ilay ramatoa. Tsy nanaiky lembenana ny fokonolona ka tratra ny iray tamin’izy roa lahy. Izy indray nao nitarika ny polisy tany an-tranon’ilay zanaka polisy. Taorian’ny fifandaharana, nilatsaka ny sazy avy amin’ny fitsarana ka izao voaheloka 15 taona an-tranomaizina izao. Toy izany koa ny raharaha anenjehana an’i Soloniana sy ny namany, resaka fanafihana sy fandrobana kioske tao Ankirihiry Toamasina, ny 11 marsa 2020.

Sajo/J.C

Les commentaires sont fermées.