Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiarovana ny tontolo iainana: hametraka paikadin-tserasera ny Tafomihaavo

Fiarovana ny tontolo iainana: hametraka paikadin-tserasera ny Tafomihaavo

Nanomboka, omaly ao Antsirabe, ny fanofanana ireo mpiantsehatra momba ny serasera sy ny fandrafetana ny paikady ary ny drafitrasan-tserasera’ny Tafomihaavo. Havoaka amin’izany ny paikady momba ny serasera tsy manavaka ary mifanaraka amin’ny foto-pisainan’ny Tafomihaavo. «  Ahafahan’ny fokonolona manao serasera, haitaky na ny « plaidoyer ». Eo koa ny hanomezana ny hasin’ny fahombiazan’ny fokonolona isaky ny faritra hifampivelomana. Miaraka amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny fokonolona », hoy izy ireo. Hifampizarana amin’izany lafiny seraseram-pokonolona momba ny teknika fandrafetana ny votoatiny « contenu », ny fandraisam-peo, ny sary, ny fomba fanoratana ary ny fanantotosana fandaharana fohy. Eo koa ny findratrahana ny tambajotra sosialy.

Fahaizana mandresy lahatra

Ankoatra izany, hisy ny fiaraha-miasa eo anivon’ireo mpiseraseram-pokonolona. Homena koa ny fiofanana momba ny teknika fandrindrana sy ny fahaizana mandresy lahatra ary ny fametrahana ny tetibola momba ny seraseram-pokonolona.

Haharitra efatra andro ny fiofanana ary iarahana amin’ny Id Haydia sy ireo mpiara-miombona antoka. Anisan’izany ny Sehatra iombonana ho an’ny fananan-tany (Sif), ny « Youth biodiversity network », ny fikambanana Manohisoa ary ny Jeunes actifs pour le développement durable. Mpanohana kosa ny Gef SGP.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.