Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mba hisian’ny fitohizana: mila tohanana ny mpamorona

Mba hisian’ny fitohizana: mila tohanana ny mpamorona

Mimenomenona ny sasany fa nosimbain’ny mpanakanto taty aoriana ny hiran’ireo teo aloha. Mingonongonona ny hafa fa tsy misy zava-baovao mihitsy ve izy ity fa ny teo ihany no miverina ? Ny ankoatra ireo, tsy mahita fivoarana, hono, fa toa mifampaka tahaka avokoa ny mpanakanto. Tahaka izany hatrany no mahazo ny ankamaroan’ny zavakanto, eto Madagasikara. Raha ny marina, misy ny mamorona, saingy takona sy kely hery izy ireny noho ny zava-misy. Tsy hita misongadina firy, ohatra, ny zava-bitan’ny ireo mpikaroka sy mpanao asa tanana mifandraika amin’ny kolontsaina (amponga, sodina, zavamaneno ravaka…), noho ny fisian’ireo mpijirika sy mpanelanelana.

Tsy tokony hajanona eo amin’ny fampiofanana fotsiny ny omena ny mpikaroka sy mpamporona eto Madagasikara, fa tokony hotohizina amin-javatra hafa. Anisan’izany ny fanomezana azy ireo tohana (vola, fitaovana, tsena…), hahafahana mivelatra. Ny tahaka izany no mbola tsy ampy eo amin’ny tontolon’ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy ka mahatonga ny fihodinkondinana eo am-pitoerana. Tsy mandroso tsy mihemotra !

HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.