Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsipy kanetibe: nomen’ny kaominina Antananarivo kianja ny CBT

Tsipy kanetibe: nomen’ny kaominina Antananarivo kianja ny CBT

Taorian’ny fanamboarana ny kianjaben’i Mahamasina, tsy nanana kianja intsony ny klioba CBT (Club bouliste de Tananarive). Fantatra anefa izao fa nomen’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) azy ireo ilay fotodrafitrasa etsy Anosy. Efa eo am-pamaranana ny fanamboarana izany ireo tomponandraikitry ny CBT ankehitriny izay nisaotra ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina. Efa azo anaovana fanazarantena io kianja io, saingy tsy mbola azo anaovana fifaninanana. Na izany aza, mbola olana ho an’izany fotodrafitrasa izany ny tsy fisian’ny jiro sy ny rano hikojakojana ny kianja. Toy izany koa ny toeram-pisoloana akanjo sy ny fivoahana ary ny toeram-pisakafoana ho an’ireo mpilalao sy ny mpijery.

Antony iray ihany koa hikarakarana ny kianja ny ho fanombohan’ny fifaninanana atsy ho atsy ka hitadiavan’ireo mpitantana ny CBT ny hevitra rehetra ahazoan’ireo mpilalao manoman-tena. Tsiahivina fa anisan’ireo klioba goavana eto amin’ny firenena ny CBT izay misy mpilalao 200 mianadahy mianaka, manana kara-pilalaovana ara-dalàna.

 

Torcelin

 

Les commentaires sont fermées.