Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

 « Kanton’i Gasikara »: antsoina ny mpanao asa tanana hiditra anatin’ny ara-dalàna

 « Kanton’i Gasikara »: antsoina ny mpanao asa tanana hiditra anatin’ny ara-dalàna

Nisokatra eo Antaninarenina, omaly hatramin’ny 25 jona izao ny « Kanton’i Gasikara », andiany faha-5, nomena anarana hoe « Miarina ». Fampisehoana ireo karazana asa tanana malagasy.

Ankoatra ny fahita mahazatra, toy ireo asa tanana vita amin’ny hoditra, ao koa ireo karazan-tsakafo, savony, menaka fanao amin’ny tarehy, sns, hita amin’io « Kanton’i Gasikara » io. « Miisa 157 ny karazana asa tanana vita malagasy. Avadika ny fomba fijery, tsy ho vadin’asa intsony ny asa tanana fa fihariana mahavelona » hoy ny tale jeneralin’ny Asa tanana, Ramanankavana Christian, nanokatra ny fotoana.

Nisy ny fifampiresahana nataon’ireo tompon’andraikitra nitsidika ireo tranoheva  25. Mila tohana amin’ny lafiny maro ny mpanao asa tanana fa fepetra apetraka ny fidirana ao anatin’ny ara-dalàna. Maromaro ireo laminasan’ny minisiteran’ny Indostria, ny varotra, sy ny asa tanana, toy ny fanomezana « carte numérique ». Ny fiaraha-miasa amin’ny Foiben’ny hetra  ho an’izay anatin’ny ara-dalàna. Tsinjovina ihany koa ny fahasalamana sy ny fisotroan-dronono.

Hahafahana mivelatra bebe kokoa

« Vonona hatrany ny minisitera, koa miantso ireo mpisehatra hifampiresaka hanatsarana ny tsena eto an-toerana na any ivelany », hoy ny tale jeneraly. « Maro ny tombontsoa sy varavarana hisokatra raha manana io carte numérique io. Eo koa ny fanofanana sy fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka. Manerana an’i Madagasikara no misitraka izany », hoy ihany ny tale jeneraly.

Ho avy tsy ho ela ny tsenaben’ny hoditra, sehatra tokony ho tohanana manokana. Eo am-pikarakarana izany ny minisitera. Ny fampisehoana manaraka “Kanton’i Gasikara” hatao any Vatovavy Fitovinany hiarahana amin’ny Vondron’ny vehivavy mpandraharaha. Hasaina ny Malagasy hanjifa ny “vita malagasy”.

 

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.