Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antanety Fiakarambato: amboarina “pavé” ny lalana

Antanety Fiakarambato: amboarina “pavé” ny lalana

Nandray fepetra avy hatrany ny kaominina Antananarivo Renivohitra, noho ny fitarainan’ny mponina teny amin’ny fokontany Antanety Fiakarambato, Boriborintany fahenina, amin’ny fahasimban’ny lalana izay tsy azo andehanan’ny fiara. Amboarina ny “pavé” eny an-toerana nanomboka ny 16 jona 2021, ary ezahina ho vita ao anatin’ny 10 andro. Ekipa manodidina ny 30 no manao asa tana-maro (HIMO), avy amin’ny fitantanan’ny taotrano sy ny asa vaventy eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohita, ary manara-maso ny asa eny an-toerana. Manampy amin’ny fanaraha-maso ny asa koa ny tompon’andraikitra eny anivon’ny Boriborintany fahaenina.

Mirefy 115 m ny halavany, 6 m ny sakany amboarina amin’izany”, hoy ny lehiben’ny sampana teknika ao amin’ny Boriborintany fahenina, Rakotomanana Mamy Eric. Manentana ny mponina amin’ny fikojakojana izany ny kaominina Antananarivo. Marihina fa tafiditra ao anatin’ny vina an’ny ben’ny Tanàna an’Antananarivo Renivohitra izao tetikasa izao.  Mponina maro no hisitraka ny fanamboarana eny an-toerana.

 

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.