Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mpanazatra basikety : miisa enina mianadahy ireo mpiofana

Mpandray anjara enina mianadahy no voasokajy hanaraka fampiofanana ho mpanazatra basikety etsy amin’ny FMBB 67 ha, nanomboka omaly ka hatramin’ny 23 jona ho avy izao. Ny tale teknika eo anivon’ny FMBB, Razafiarivony Angelot, no mitarika ny fampiofanana azy enina ireo. Aorian’ny fampiofanana azy enina mianadahy, hozarainy avy hatrany amin’ny  mpanazatra rehetra manerana ny Nosy ny traikefa norantoviny.  Etsy andaniny, efa maro ireo ligim-paritra mangataka ny hisian’ny fanofanana tahaka ity ataon’ny eo anivon’ny FMBB sy ny CEBB ity ahafahan’izy ireo mampivelatra hatrany ny tontolon’ny basikety eto an-toerana.  Marihina fa sokajina ho mpampiofana nasionaly avy hatrany ireo avy rehetra nanaraka ny fampiofanana.

Ireo enina mianadahy voasokajy hanaraka ny fanofanana: Randria Aimé Alain Marcel, Randrianjatovo Hélina, Rasoloarijaona Cyrille, Rakotoarimanana Solofonary, Randrianarivelo Jean de Dieu, Rasamoelina Tojo.

Tsiferana R.  

Les commentaires sont fermées.