Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – «Orange pro league»: Ekipa telo hiady izay ho tompondaka

Ho fantatra amin’ny alakamisy ho avy izao, eo amin’ny andro fahatelo sady farany amin’ny lalao miverina, izay ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “Orange pro league”. Ekipa telo ny mbola manana herijika hiady izany: ny Ajesaia Bongolava, ny AS Adema sy ny Cosfa Analamanga.

Raha ny voka-dalao notanterahina omaly alatsinainy teo amin’ny andro faharoa, notanterahina teny amin’ny kianja Vontovorona, resin’ny Cosfa (Bebaoty), tamin’ny isa tery 1 no ho 0, ny AS Adema. Baolina tafiditr’i Dimby, teo amin’ny minitra faha-37.

2 no ho 1 kosa ny nanilihan’ny Ajesaia ny Five FC. Fihaonana tsy namaly ny hetahetan’ny mpijery loatra satria tsy nampiseho fanoherana loatra ny Five FC. Efa nitarika tamin’ny isa 2 no ho 0 ny Ajesaia, vao nahatafiditra ny baolina tokana ho azy ny Five FC. Baolina nampidirin’i Rojo, teo amin’ny minitra faha-21, sy faha-72 ho an’ny Ajesaia ary i Nambinina, teo amin’ny minitra faha-77, ny an’ny ekipan’ny Firaisana fahadimy.

Taorian’ity lalao ity, mbola mitarika hatrany ny AS Adema, manana isa 9, arahin’ny Ajesaia sy ny Cosfa, samy manana isa 8 avy ary ny Five FC, isa 3.

Hidona eo amin’ny lalao farany ny Ajesaia sy ny AS Adema ary ny Cosfa sy ny Five FC.

 

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.