Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Karibotel Analakely: haneho ny talentany ry Davis

Karibotel Analakely: haneho ny talentany ry Davis

Fetin’ny fahaleovantena, andron’ny harendrina… Miverina indray ny “After Work”. Hivimbina vazo mahafinaritra ho an’ny rehetra i Davis, ny zoma 25 jona izao manomboka amin’ny 7 ora hariva ao amin’ny Karibotel Twenty Six Analakely. Anisan’ny hira ahafantarana an’i Davis ilay hira “Tsaiky joby”… Hiaraka hanafana izany ry Manitra eo amin’ny gitara, i Titan, hiangaly ny batterie, i Arnel, eo amin’ny Bass ary i Sonia, eo amin’ny “vocal”. Hafana tanteraka, araka izany, ny eny an-toerana satria sady asaramanitra rahateo ny andro sady faran’ny herinandro ihany koa. Hifanindran-dalana amin’izany ny tsakitsaky isan-karazany anisan’ny mampalaza ny ao an-toerana. Manome sehatra ny mpanakanto sy mampihaona azy amin’ny mpankafy ny ao amin’ny ivontoerana. Efa manomboka miverina tsikelikely ny karazana hetsika isan-karazany, indrindra ny faran’ny herinandro, na eo aza ny hamehana ara-pahasalamana.

Narilala

 

Les commentaires sont fermées.