Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“Fetin’ny mozika”: niaka-tsehatra tetsy Soarano ry Mage 4 sy Ry Kala Vazo

“Fetin’ny mozika”: niaka-tsehatra tetsy Soarano ry Mage 4 sy Ry Kala Vazo

Ela izay! Efa fotoana ela no manimanina fety ny rehetra ka vetivety dia lany ny tapakila famandrihana tamin’ilay seho “THB Fetin’ny mozika”, notontosaina tetsy amin’ny PK 00 Soarano, ny tolakandron’ny asabotsy teo. Nianoka lanonana hafakely ireo tsara vintana afaka nanatrika ny seho satria mbola voafetra ihany izany noho ny fitandroana ny fahasalamana. Nanokatra ny sehatra Ry Kala Vazo, nizara hira amin’ny karazan-gadona maro, mifototra amin’ny tendry gasigasy araka ny nahafantarana an’i Mirana sy i Vanintsoa hatramin’izay. Nandimby sehatra azy roa vavy ry zalahy ao amin’ny tarika Mage 4, taorian’izay. Avy hatrany, ireo hira mampalaza ny tarika no nasesin-dry Ken, ho fanomezana ho an’ny mpankafy mozika. “Samy faly”, araka ny fiteny mahazatra ny Mage 4, satria samy ela tsy nihaona ny rehetra. Toy ny mahazatra amin’ny hetsika karakarain’ny Star, niantoka ny fanentanana ny lalao isan-karazany teny antsefantsefany eny i Eric sy i Honorat, tarika Fou Hehy.
Ho fanomezana fahafaham-po ny rehetra, indrindra ireo naniry hijery nefa tsy nahazo intsony tapakila, nalefa amin’ny tambajotran-tserasera ny lanonana rehetra. Mbola afaka mijery hatramin’ny rahampitso izay liana amin’izany.

Zo ny Aina

Les commentaires sont fermées.