Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

FAKAFAKA: … Fa tsy mba misy « Fetin’ny zanaka » angaha?

Na ny « Fetin’ny reny » na ny « Fetin’ny ray », samy tsy misy fomba malagasy avokoa ireo. Mety ho samy hanova zavatra lehibe eo amin’ny fototry ny fomba amam-panao malagasy ihany koa. Ny mahavariana, toa tsy mba misy « Fetin’ny zanaka » ? Maninona no atao an-jorom-bala ny zanaka ? Tsy hoe, tsy tia zanaka ry zareo vahiny fa tazana avy hatrany fa manana fomba amam-panao tsy mitovy na mety hifanipaka amin’ny an’ny Malagasy izy ireo. Tsy mandalo na miserana kely ao an-tsain’ny vahiny ny hoe : « ny zanaka no harena », « sombin’ny aina », « menaky ny aina », « taranaka ho dimby, ny dimby no ho fara »… Raha dokafana sy indraindraina ao anatin’ny andro iray ny reny sy ny ray ho an’ny vahiny, napetraka ho « masoandro amam-bolana » kosa izy ireo ho an’ny Malagasy. Mifono zava-dalina io…

Manana ny akony amin’ny fomba amam-panaon’ny Malagasy ny fidiran’ny fomba vahiny. Matetika aza, toa voasongon’izy ireny ny an’ny tompon-tany. Ny tranga tahaka io no mila fitandremana fatratra tsy hahatonga ny hoe, olona iray no niteraka ny Malagasy antapitrisany ! Very tanteraka ny maha ray ny ray sy ny maha reny ny reny. Mila fitandremana fatratra ny fandraisana ireny fomba vahiny ireny sao sanatria hanova ny lamina voajanahary narahin’ny Malagasy hatramin’izay izany. Ankoatra ny fitandremana, ilaina ihany koa ny fampitana ny fomba amam-panao malagasy any amin’ny taranaka mifandimby hahafantaran’izy ireny ny momba azy.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.