Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fête de la musique: hanatanteraka hetsika ny ANKIZ’Art

    Fête de la musique: hanatanteraka hetsika ny ANKIZ’Art

    Fararanon-danonana sy he­tsika ny volana jona… Hana­tan­teraka ny « Fête de la mu­sique » ny Ankiz’Art, rahampitso, alahady 20 jona, manomboka amin’ny 12 ora antoandro. Izany dia hotanterahina ao amin’ ny Ivontoerana fifampizarana Art-kolontsaina ambany tanàna ANKIZ’Art Anosibe andrefana II. Mpanakanto maro ny handrafitra izany hetsika izany, izay ahitana tarika maro toa an-dry Spesialista, Ravelo Jean Baptiste & Jeannot Kopikole Noely, Petit Percu (Tarika Ba­komanga), Reggean’Jah, Fidar, Profesia, MOM Clan BeAnosy, Aloka mainty, Safimar, Pinam, Tsotsotr’art, , Look’Iray, Jess-Mih, Soldat Clan. Ao koa ny Ankiz’Art Dihy sy ny mpanakanto toa an-dry Kehman ary ireo maro tsy ampoizina ho avy hanafana ny fotoana. “Fikam­banana niorina ny taona 2012 ny ANKIZ’Art, ary manana ny sata ara-dalana, izay mampivondrona tanora mpanakanto maro isan-karazany fa ny tanjona amin’ity hetsika ity aloha dia ny fankalazana ny “F?te de la musique”. Ireo mpanakanto rehetra ireo indray dia mpikambana ato avokoa, ankoatra ireo vahiny nasaina ”, hoy i Fidy, filoha mpitantana ny ANKIZ’ Art. Marihina fa hetsika tsy misy vidiram-pidirana izy ity fa natao hanomezana fahafinare­tana ho an’ny rehetra. Ao anatin’ ny fampisehoana dia mihatra ny fepetra ara-pahasalamana rehetra hisorohana ny fihanahan’ny valanaretina coronavirus. Ma­nana ny tambajotran-tserasera facebook, pejy “ANKIZ’Art- Pejy ofisialy izy ireo.

    Narilala

    Les commentaires sont fermées.