Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

 Voasambotry ny polisy, ny alarobia teo ilay teratany vahiny 41 taona mpanao trafikana rongony. Tratra teny Analamahitsy izy ary mbola nahatrarana rongony milanja 450g. Fantatra ihany koa fa efa tapitra efa ela ny fe-potoanan’ny taratasy ahafahany mijanona eto Madagasikara, hoy ny polisy. Nambarany fa sady mivarotra no mifoka rongony io lehilahy io. Mifoka izany indroa isan-kerinandro izy ary ireo olona fantany sy mifandray aminy eny Analamahitsy sy Ambatobe no manjifa izany amin’ny vidiny 40.000Ar ny grama.

Tra-tehaky ny polisy tetsy anoloan’ny HJRA, omaly maraina, ny lehilahy iray voalaza fa mpamaky fiara. Lasibatrany tamin’izany ny fiarana mpitsabo ao amin’ny HJRA ka lasany  ny « auto-radio » tao anatiny. Tsikaritry ny tompon’ny fiara ny asa ratsin’io lehilahy io ka niantso polisy avy hatrany izy. Tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana ka mbola tratra teny aminy avokoa ireo fitaovana efa namboariny manokana hanokafany fiara. Natao fanadihadiana ralehilahy ary efa naverina tamin’ny tompony ny entana nangalariny.

 

Les commentaires sont fermées.