Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Oniversiten’i Maninday Toliara: raikitra ny savahao isam-baravarana, mpianatra iray maty voatifitra

    Oniversiten’i Maninday Toliara: raikitra ny savahao isam-baravarana, mpianatra iray maty voatifitra

    Raha efa nantenaina hilamindamina ny raharaha Oniversite Toliara, taorian’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny teo anivon’ny filohan’ny Oniversiten’i Toliara amin’ny fampiatoana vonjimaika ny fampianarana mandra-pivaha ny olana, tsy izany anefa ny zava-nitranga tany an-toerana omaly.

    Mbola nitohy ny hetsika nataon’ny mpianatra tao amin’ny faritry ny oniversite ary vao mainka izany niitatra tamina fanimban-javatra. Tranona mpampianatra iray hafa indray no nodoran’ireo mpanao fihetsiketsehana. Nanomboka tamin’ny 8 ora maraina ireo mpianatra no efa niantsoantso sy nifampitaona isam-baravarana. Nisy ny fitsofana kiririoka toy ny fanaon’izy ireo hatrany, narahina horakoraka. Vao naheno izany ny teo anivon’ny OMC dia nanatanteraka fivoriana haingana ka tapaka taorian’izay fa hisy ny fikarohana ireo mpianatra mpitarika ity fihetsiketsehana ity. Tokony ho tamin’ny 11 ora, niditra tany amin’ny faritra misy ny trano fonenana ireo mpitandro filaminana nandondom-baravarana sady namoaka ireo mpianatra rehetra tany an-trano. Nisy tamin’ireo mpianatra anefa no nanohitra ireo mpitandro filaminana nanao fisavana ka teo no nahavoatifitra ny iray amin’izy ireo. Vao mainka niteraka hatezerana ho an’ireo mpianatra ny fihetsika nataon’ny mpitandro filaminana tamin’ny nahafaty ny naman’izy ireo ity. “Mampalahelo ihany ny mahita izao toe-javatra izao satria fitakiana tsotra no natao kanefa aina nafoy ka tsy hanaiky izao izahay”, hoy ny solontenan’ireo mpianatra. Manoloana izany, mihorohoro tanteraka ireo mpampianatry ny Oniversite ka efa niala tamin’ny trano fonenany ao Maninday avokoa. Raharaha tsy ahitam-bahaolana efa hatry ny ela ity olan’ny mpianatra eny amin’ny oniversite manerana ny Nosy ity. Karazana famonoana afo hatrany anefa no ataon’ny tompon’andraikitra fa tsy misy vahaolana matotra, toy ny hita atao amin’ireo mpampianatra aty amin’ny CEG, ny tambin-karama nitsara fanadinana BEPC tamin’ny taona 2019 hatramin’izao tsy mbola azo nefa ho avy indray ity ny fanadinana manaraka, hany ka lasa mifanilika andraikitra ny tompon’andraikitra isany. Izay voa aza tezitra!

    CMS/J.C

    Les commentaires sont fermées.