Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – “Cosafa cup 2021”: iray vondrona amin’i Zambia ny Barea

Hotanterahina ny 7 ka hatramin’ny 18 jolay ho avy izao ny andiany faha-20 amin’ny “Cosafa cup”, sokajy “senior” lehilahy. Fifaninanana natokana ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika. Hampiantrano izany ry zareo Afrikanina tatsimo ka ao amin’ny kianja Nelson Mandela Bay, ny hanaovana ireo fifaninanana. Iray vondrona amin’i Zambia tompondaka. Ekipa tsy zovina amin’ny Malagasy ry zareo Zambianina, satria efa nikatroka tamin’ny Barea, ny taona 2018. Resin-dry zareo teo amin’ny manasa-dalana, tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0 ny Malagasy, tamin’io ary nitana ny laharana fahefatra ny Barea. Tsiahivina fa tsy nandray anjara ny Barea de Madagascar, ny taona 2019. Niato moa ity Cosafa cup ity, tamin’ny taon-dasa, noho ny fisian’ilay valanaretina coronavirus, ary izao miverina izao indray. Ankoatra izay, mbola hiaraka amin’ny Malagasy ihany koa ry zareo Kaomorianina, izay hiatrika ny Can 2022.

Tompondaka

 

 

Sokajy “A”
Afrika Atsimo
Lesotho
Soazilandy
Botsoana
Sokajy B”
Zambia
Malawi
Madagasikara

Kaomoro
Sokajy “C”
Senegal
Zimbaboe
Mozambika
Namibia

Les commentaires sont fermées.