Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fandrahonana ho faty anaty finday: mpivady sy tovolahy iray mpisoloky samy voasambotra

 Nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora, ny alarobia teo ireo mpisoloky sahy mandrahona olona ho faty amin’ny finday rehefa tsy manome vola izay tadiaviny. Voasambotra, ny alahady teo, teny Androndra ireo mpivady mpanao ny asa ratsy, dia ny vehivavy iray 34 taona sy ny lehilahy vadiny 24 taona. Nanoro ireo mpiray tsikombakomba taminy koa izy mivady ka tratra teny Ampamatanana ilay tovolahy vao 19 taona.

Miantso amin’ny finday amin’ny laharana miafina ireo mpisoloky. Lasibatra tamin’izany ny raim-pianakaviana iray ka notakin’ireo mpisoloky vola mitentina 10 Tapitrisa Ar. Mbola nilaza koa izy ireo fa hananany vola ny zanany ka vonoin’izy ireo ho faty ilay lehilahy raha tsy mandoa ny vola amin’ny fotoana voatondro.  Nitohy  ny fandrahonana voarainy ary nilaza ho mahafantatra ny toeram-piasana sy ny toeram-ponenany ireo mpisoloky ka hopotehina sy dorana ireo rehetra ireo raha tsy manome ny vola izy. Velon-tahotra ny raim-pianakaviana ka niantso ny polisy hiaro azy. Hatairana ny an’ilay raim-pianakaviana raha nahita ireo mpampihorohoro azy voasambotra. Efa nangalan’ireo olon-dratsy vola izy, efa voasolokiny ihany koa tamin’ny alalan’ny kariera iray izay tsy misy akory. Fantatra fa safidin’ireo mpisoloky mihitsy ny olona hampihorohoroany. Tsy vao sambany koa izy ireo no mitady fomba ratsy hahazoana vola aman’olona. Ary ilay tovolahy mpiray tsikombakomba aminy no nasainy miantso io raim-pianakaviana tamin’ity tranga ity.

 

Henintsoa Hani

Les commentaires sont fermées.