Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ady hafa amin’ny tantana sy ny tantara     

Ady hafa amin’ny tantana sy ny tantara     

Mbola misy ady hafa tsy maintsy atrehina amin’izao, araka ny nambaran’ny filohan’ny Repoblika. Tsy inona fa ny amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, ny kere… Mby an-tsaina avy hatrany amin’izany ny any atsimo. Nefa aorian’ny ady amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19, saika manerana an’i Madagasikara na maneran-tany aza no miatrika izay. Mafy ny dona sy ny fiantraikan’ny valanaretina eo amin’ny toekarena sy ny fihariana, eo amin’ny fiainam-bahoaka ankapobeny…

Mazava koa ny nambarany fa matoa mbola misy ihany ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny maty mosary, tsy nahomby ny fanampiana sy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka avy any ivelany nandritra ny 30 taona mahery. Nahoana? Tsy tena famahana izay olana ifotony, ohatra, no nimasoana na natao fa zavatra hafa, izay ry zareo sy mpitondra nifandimby niray petsapetsa na tsikombakomba taminy no mahalala izany. Na misy antony hafa tsy voadinika. Mampieritreritra…

Hafa ny amin’izao amin’ny hoe fiovana sy fanovana? Na eo aza izay mety ho fanampiana sy fiaraha-miasa tsy azo ialana amin’ireo mpiara-miombon’antoka, tompony mahazaka amin’izay ataony ny Malagasy: fanapahan-kevitra, tetikasa, enti-manana… Miainga any ifotony izay atao. Ady fiady izany amin’izao hoe fahatsiarovana ny fiverenan’ny fahaleovantena izao. Tena isiana sy iainana amin’izay? Ady hafa… Mila fahasahiana, fijoroana, firosoana, fitozoana…

Miara-dalana ho azy amin’izay tsy fahombiazan’ny fanampiana sy fiaraha-miasa amin’ny any ivelany izay ny tarazo ratsy entina sy avelan’ny fahantrana lalina sy maharitra? Tsy tongatonga ho azy fa misy antony na nanao azy. Manankarena i Madagasikara, nefa ny vahoaka mahantra fadiranovana tsy misitraka inona amin’izany akory. Firy tao-maty izay? Mila ovaina amin’izay ny tantana sy ny tantara. Mba tsy ho fombafomba sy fahazarana fotsiny ny fankalazana ny Fahaleovantena.

Fahaleovantena amin’ny fanapahan-kevitra, amin’izay atao, amin’ny fomba fiasa… Tsy andavana na anilihana ny fanampiana sy ny fiaraha-miasa amin’ny hafa izany fa ijoroana sy irosoana amin’izay maha tena ny tena?

Rafaly Nd.           

 

Les commentaires sont fermées.