Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Firenena mikambana: nanaiky nanao sonia miady amin’ny kolikoly i Madagasikara

Fivoriambe manokana nataon’ny Firenena mikambana (ONU) ny voalohan’ny volana jona teo tany New-York ny hiadiana amin’ny kolikoly mahazo vahana amina firenena maro. Nandray anjara tamin’izany fivoriambe izany i Madagasikara, tamin’ny anaran’ny CSI (1) ka anisan’ireo firenena 187 nanao sonia ny fifanarahana teo anivon’ny UNCAC (2). Nanao sonia midika io fifanarahana io fa manaiky marina miady amin’ny kolikoly. Samy nanaiky rehetra ary nanamafy fa sakana ho an’ny fampandrosoana, indrindra mampahantra vahoaka, ny kolikoly, tsy ahafahan’ny vahoaka ihany koa mizaka ny zony feno.

Maromaro ihany ireo fepetra an-tsoratra nambaran’i Madagasikara amin’ny fandraisana andraikitra. Anisan’izany ny fanamafisana ny asan’ny Pac (Pôle anti-corruption), ankoatra ny eto Antananarivo, ny any Mahajanga sy any Fianarantsoa. Fiarovana ny lalàna mampahaleo tena ny sampana rehetra miady amin’ny kolikoly: CSI, Pac, Bianco, Samifin.

Fahaleovantena tanteraka ny rafi-pitsarana rehetra. Hamafisina fa tsy misy ambony lalàna ary eo koa ny fandraisana fepetra raha mihazona fananana sy vola tsy mazava.

Tsy misy mangarahara

Tanjona hiadiana amin’ny kolikoly ny hisian’ny fampandrosoana maharitra, mitaky politika ho an’ny fitantanana madio. Nanao izao fivoriambe izao ny ONU noho ny fahatsapany ny tsy fisian’ny mangarahara momba ny fitantanambola, indrindra ny avy amin’ny mmpatsy vola iraisam-pirenena. Voakasik’izany manokana ny aty Afrika. Tao anaty krizy tanteraka i Madagasikara ny taona 2020, amina tetibola 826,09 tapitrisa dolara, 9,37% tamin’izay ihany ny natokana ho an’ny fahasalamana, izay mbola tsy mangarahara ihany koa ny fitantanana azy, araka ny fanadihadiana nataon’ny Transparency International Intiative Madagascar.

 

R.Mathieu

 

CSI (1) : Comité pour la  sauvegarde de l’intégrité

UNCAC (2) : Convention des Nations Unies contre la corruption

Les commentaires sont fermées.