Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanefitry ny valanaretina – Toamasina: nanao vaksiny ny mpiasan’ny seranana-tsambo

Nisy fanaovam-baksiny naharitra roa andro, ny herinandro lasa teo, ho an’ny seranan-tsambon’i Toamasina ary nitarika izany ny tale jeneralin’ny Spat, i Avelin Eddy Christian. Notontosaina tao amin’ny “centre médical et de diagnostic”, ao anatin’ny seranan-tsambo ihany ny hetsika. Ny andro voalohany, efa nahatratra 400 ny mpiasa nisoratra anarana avy amin’ ireo orinasa telo: ny Spat, ny SMMC ary ny APMF. Hitombo betsaka izany, araka ny nambaran’ny olona misahana ny mpiasa eo anivon’ny seranan-tsambo. Fiaraha-miasa teo amin’ny APMF sy ny minisiteran’ ny Fahasalamana ny nahafahana nanao ny vaksiny amin’ny mpisehatra an-dranomasina ka mandray an-tanana ny fanaovana izany ny seranan-tsambo. Ny 18 mey lasa teo, nahavita ny azy ny eo anivon’ny APMF, araka ny nambaran’ny taleny, Rakotoarizafimamy Franck.

Ankoatra ny mpiasa sy ireo mpiara-miasa amin’ny seranan-tsambo, misy koa ny fanaovana izany ho an’ny vady aman-janaky mpiasa ampy taona eny amin’ny Cemedi Tanambao V, toeram-pitsaboana ny mpiasan’ny seranana.

Sajo

 

Les commentaires sont fermées.