Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Cisco Antananarivo Renivohitra: 30 325 ny isan’ny mpiadina amin’ny CEPE

30 325 ny isan’ny mpiadina amin’ny fanadinam-panjakana CEPE ho an’ny Cisco Antananarivo Renivohitra, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Cisco, Ramananantony Harilalaina, omaly. Nitombo ny isan’ny mpiadina raha mitaha ny tamin’ny herintaona. Nanomboka ny 26 mey ny fanaovana ny CEPE andrana ho an’ny Cisco ary fanadinana andrana faharoa ny notanterahina ny talata lasa teo miaraka amin’ny Zap enina. Latsaka ny vokatra ho an’ny andrana voalohany ary efa nanao fanarenana ny mpanabe. Ho fantatra amin’ity herinandro ity ny valin’ny andrana faharoa. Efa misy rahateo ny sampandraharaha misahana ny kalitaon’ny fampianarana manampy hanarina ny lesoka mialoha ny tena fanadinana ny 6 jolay. Efa miomana ny tomponandraikitra amin’ny fiatrehana ny fanadinana. Hamafisina avokoa ny fepetra efa nampiharina tamin’ny CEPE 2020 hiarovana ny mpiadina manoloana ny valanaretina Covid-19.

Vonjy A.        

Les commentaires sont fermées.