Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fanalam-baraka tamin’ny facebook: naiditra am-ponja ao Nosy Be i Jackson nidaroka tovolahy iray

     Naiditra am-ponja vonjimaika ao Nosy Be Hell Ville rehefa avy natolotra ny fampanoavana i Jackson, ilay tovolahy nidaroka sy nanakenda tovolahy iray tao Dzamandzar, izay voalaza fa nanala baraka azy tamin’ny facebook (i Jackson io). Nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny anabaviny raha eo am-pikarohana ilay olona tompon’antoka tamin’ny fakana ilay video ny zandary. Notazonina nanaovana famotorana teny amin’ny zandary izy mianadahy ireto ka izao niafara tamin’ny fampidirana am-ponja izao. Nomen’ny dokotera “certificat médical” sy 15 andro tsy fahafahana miasa ilay tovolahy niharan’ny herisera nataon’i Jackson. Tsiahivina fa isan’ny video be mpijery ity niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera facebook ity. Nalaina sary tamin’ny telefaonina finday ny fomba nidarohan’i Jackson ity tovolahy nampangainy ho nanala baraka azy tamin’ny facebook ity. Nolazain’ity tovolahy niharan’ny herisetra ity fa “pédé” sy mpivaro-tena amin’ny vazaha i Jackson ka izao nifanazava tamin’ny alalan’ny video nalefa tamin’ny facebook izao sady niafara tamin’ny herisetra izany. Nanamparan’i Jackson ny fony tamin’ny alalan’ny daroka ilay niharam-boina ka naratra ary saika niafara tamin’ny ainy mihitsy izany vao navelany. Tsy afa-nanohitra ilay niharam-boina noho ny habe tsy mitovy, saingy nametraka fitoriana teny amin’ny zandary. Niezaka nanazava ilay soratra filazana fanalana baraka tany anaty facebook ilay tovolahy niharan’ny daroka, saingy tsy ankijanona ny daroka sy vono nahazo azy. Karohin’ny zandary, araka izany, ilay olona naka ity video ity.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.