Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    “Etoiles montantes”: nanome vatsim-pianarana ny Star

    “Etoiles montantes”: nanome vatsim-pianarana ny Star

    Tetikasa iray natao hankasitrahana ireo zanaky ny mpiasan’ny Star, mendrika amin’ny fianarana ny “Etoiles montantes”. Tsy fandrisihana fotsiny fa fanohanana ireo mpianatra sy ny ray aman-dreniny amin’ny saram-pianarana ihany koa izy ity. Nisy ny fanolorana ny vatsim-pianarana ho an’ireo mpianatra namiratra tamin’ny baccalauréat 2020, nahazo ny “mention très bien” sy “mention bien”, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Efatra izy ireo tamin’ity andiany ity no nisitrika izany ka nahazo ny tso-drano sy ny vatsim-pianarana avy amin’ny tomponandraikitry ny Star.
    Fantatra nandritra io lanonana io fa mbola mitohy ny fanohanana ireo mpianatra miisa fito, namiratra tamin’ny andiany teo aloha. Handrisihana azy ireo hamita ny fianarany hatrany amin’ny fahazoana ny diplaoma Master II izany. Nambaran’ny tale misahana ny mpiasa fa fanamafisana ny fanohanan’ny Star ny tanora, izay efa nataony hatramin’izay izao. Anjara biriky amin’ny fanorenana ny ho avy ho tsaratsara kokoa ihany koa.

    Zo ny Aina

    Les commentaires sont fermées.