Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby Club Tanora Soavimasoandro (RCTS): nanolotra akanjo mafana ho an’ireo ankizy madinika

Rugby Club Tanora Soavimasoandro (RCTS): nanolotra akanjo mafana ho an’ireo ankizy madinika

Toy ny fanaony isan-taona rehefa volana jona toa izao sy amin’ny maha volan’ny ankizy azy,  nanolotra akanjo mafana sy botofotsy ary sakafo ho an’ireo ankizy beaziny ao aminy ny Rugby Club Tanora Soavimasoandro (RCTS). Notanterahina ny asabotsy lasa teo, teny amin’ny kianja Imamba, izany. Nisitraka izany ireo kilonga madinika miisa 305 mianadahy. Nambaran’Andrianasolo Avotra, filohan’ny fikambanana fa tsy ireo ankizy beazina eo amin’izy ireo ihany no nahazo izany fa teo koa ireo avy amin’ny fokontany hafa toa ny Tanjombato sy Behoririka, Sabotsy Namehana, Ivato, Ambohidratrimo. Notsiahiviny fa mitaiza sy mamolavola ankizy amin’ny taranja rugby ny RCTS, izay nijoro ny taona 1989. Miara-miasa amin’ireo mpanohana avy any ivelany ny RCTS ka anisan’izany ny RFF (Rugby French Flair), hivondronan’ireo mpilalao fahiny tao anatin’ny XV de France, izay manohana ara-bola sy ny Pachamama.

Ankoatra izay, mitohy hatrany ny fandaharanasan’ny RCTS dia ny hananganana tobim-pahasalamana izay tokony efa ho vita, saingy niato noho ny fisian’ilay valanaretina. Efa eo am-pamaranana ny fanamboarana ny taratasy hanoratana ny tany eo Imamba ho an’ny RCTS, ankehitriny ny mpitantana.

 

Torcelin

 

Les commentaires sont fermées.