Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

CAN Handball 2021: resy fanitelony ny ekipa malagasy

CAN Handball 2021: resy fanitelony ny ekipa malagasy

Nomontsanin’ny Gineanina tamin’ny isa mavesatra indray ny solotena malagasy amin’ny taranja Handball nandritra ny lalao fahatelo nataon’izy ireo tao anatin’ny Can, omaly.  Lavo tamin’ny isa 35 no ho 16 indray ny ekipa malagasy. Tapitra hatreo noho izany lalan’ny mpikatroka malagasy amin’io fifaninana io . Niezaka nanao izay ho afany ry fandresena sy ry Myra, saingy tsy nahita hirika nanoloana ny mpifanadrina aminy. Nahay nandrava ireo vodilaharana malagasy tamin’ny paikady nentiny ry zareo Gineanina. Na izany aza, zava-dehibe ny fiatrehana ny fifaninanana ho an’ireo solotena malagasy ireo ary mitohy kosa ny ezaka entina hampisongadinana ny taranja Handball.

Tsiferana R.

Les commentaires sont fermées.