Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Voasambotry ny Po­lisy mpanao fisafoana ny lehilahy iray 20 taona mpanao sinto-mahery teny amin’ny faritra Ambodi­mita, afakomaly takony ho tamin’ny 3 ora tolakandro. Maro ireo fitarainana voarain’ny Po­lisy miasa ao amin’ny CSP6 Ambohi­manarina noho ny afitsok’ireo mpanendaka eny amin’ireo fiantsonan’ny fiara fitateram-bahoaka eny amin’iny faritra Ambo­hima­narina sy ny manodidina iny. Tra-tehaka teo am-panaovana ny asa ratsiny teo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be eo Ambo­dimita ity olon-dratsy ity ary niakatra fampanoavana omaly.

Les commentaires sont fermées.