Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

  Rajoelina tetsy Ambohitratrimo: manohana hatrany ny Barea ny fitondrana

   Rajoelina tetsy Ambohitratrimo: manohana hatrany ny Barea ny fitondrana

 

Mitohy ny ezaka amin’ny fampivoarana ny fanatanjahantena ataon’ny fitondram-panjakana amin’izao  fotoana izao. Anisan’izany ny fitokanana ny kianja manara-penitra vaovao etsy Ambohitratrimo, notarihin’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry sy  nanehoany fahavononana hanohana hatrany ny Barea…

Tsy vao omaly efa nisy hatrany ny fandraisana an-tanana nataon’ny eo anivon’ny fitondram-panjakana amin’ny fanohanana ny ekipam-pirenena malagasy taranja baolina kitra. Anisan’izany ny tamin’ny “Can 2019”, nahatafakatra ny Barea hatrany amin’ny dingana am-pahefan-dalan’ny fifaninanana. « Reharehan’ny vahoaka malagasy ny fananana ny Barea ary vonona hanohana hatrany ny fitondrana », hoy ny filoha tetsy Ambohitratrimo omaly. « Tanjona iraisantsika ny hahatafakatra ny Barea amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany 2022 », hoy hatrany izy. Ankilany, manampy ny mpilalao kitra eto an-toerana hivelaran’izy ireo ny fananana kianja tahaka io vita ao Ambohitratrimo io. « Zava-dehibe tokoa ny fanatanjahantena ary tsy latsa-danja ao anatin’izany ny baolina kitra », hoy hatrany ny filoha. Nisantatra ny kianja avy hatrany ny mpilalao ny Barea io omaly io ihany.

Ankasitrahin’ny Fifa sy ny Caf ny kianja vaovao…

Tafiditra anatin’ny velirano faha-13 nataon’ny ny filoham-pirenena Rajoelina Andry ny fanamboarana ny kianja vaovao notokanana eny Ambohitratrimo omaly io. Manara-penitra tanteraka ny fotodrafitrasa, mahazaka mpijery hatramin’ny 1 000 isa. Misy toerana efatra na « vestiaire » ho an’ny mpilalao ary roa kosa ho an’ny mpitsara. Efa nahazo fankasitrahana avy amin’ny Fifa sy ny Caf ny kianja ka azo andraisana lalao iraisam-pirenena. Marihina fa efatra andro monja taorian’ny nitokanana ny kianja manara-penitra Mahitsy, tontosa koa ny fanokanana ny kianja Ambohitramtrimo.

Tsiferana R.

Les commentaires sont fermées.