Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra: nodimandry i Debon, tale teknika nasionaly (DTN)

Kitra: nodimandry i Debon, tale teknika nasionaly (DTN)

Lalovan-draho-mainty ny tontolon’ny baolina kitra malagasy. Nodimandry, omaly alakamisy teo amin’ny faha-71 taony, i Debon Jean François, tale teknika nasionaly (DTN), eo anivon’ny Federasiona malagasy ny baolina kitra (FMF) sady solontenan’ny teknisianina eo anivon’ny Federasiona iraisam-pirenena (Fifa), eto Madagasikara. Ny aretina nahazo azy am-bolana vitsivitsy no nitarika ny fahafatesany. Olona tena niaina tao anatin’ny baolina kitra Itompokolahy. Vao teo amin’ny faha-15 taony izy, efa voafantina tao anaty ekipa voafantin’Antsiranana; avy eo, nilalao tao amin’ny ekipan’ny US Fonctionnaire et Employé-n’io faritra avaratra io ka nitazonany ny toeran’ny lohalaharana. Taorian’izay, nanatevina ny ekipan’ny MMM Toamasina, nandrombaka ny tompondakan’i Madagasikara ny taona 1970. Nandresy an’i Lesotho sy i Ghana teo amin’ny fifaninanana afrikanina.

Nanohy ny fianarany teto Antananarivo ary nilalao tao amin’ny UAS Cheminots avy eo tao amin’ny AC Sotema ka niarahany tamin-dry Ferdinand sy i Kiki ary i Alban sy i Lanziz sy ny hafa.

Nitondra ny ekipan’ny St Pierroise La Réunion ary efa nanazatra ny Barea U17 niatrika ny CJOI ka nahazo ny medaly volamena ny taona 2001 sy ny 2003. Namela manano tena sy kamboty efatra mianadahy Itompokolahy. Alevina amin’ity zoma ity ny nofomangatsiakany. Mirary fampiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ny baolina kitra ny Gazety Taratra.

 

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.