Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kaominina Ivato: marobe ny fotodrafitrasa hatsangan’ny filoha Rajoelina

Kaominina Ivato: marobe ny fotodrafitrasa hatsangan’ny filoha Rajoelina

Nanatitra mivantana ilay kamiao vaovao eny amin’ny kaominina Ivato nny filoham-pirenena Rajoelina Andry, omaly. Tamin’izany ny namalian’ny fangatahan’ny ben’ny Tanàna, Randrianarisoa Penjy, mikasika ireo fotodrafitrasa maro sosona.

Anisan’izany ny kianja manara-penintra sy ny “gymnase couvert” ho an’ny tanora. Eo koa ny hanavaozana tanteraka ny tranon’ny kaominina ho tena taratry ny fandrosoana. Ankoatra izany ny fananganana ny sekoly manara-penitra sy ny fampitomboana ireo sekoly. Eo koa ny fanavaozana tsy maintsy hatao amin’ireo efitranon-tsekoly efa tena simba.

Nanome baiko avy hatrany ny governoran’Analamanga ny filoham-pirenena hanamboatra ny lalana rehetra. Toraka izany ny baiko nidina amin’ny Jirama amin’ny hanazavana ny tanàna. Ivato mamirapiratra no tarigetran’ny ben’ny Tanàna ka ho tonga amin’izany ny kaominina miaraka amin’ny fanohanan’ny filoham-pirenena.

Tsy niandry ela, nidina avy hatrany nijery ny asa tokony hatao anatin’ny fotoana haingana ny governoran’Analamanga, Rasoamaromaka Hery. Niaraka amin’ireo teknisianina efa matihanina izy tamin’izany hanafainganana ny asa hatao.

Nankasitraka ny filoham-pirenena ny ben’ny Tanàna, Randrianarisoa Penjy, amin’ireo fotodrafitrasa ho an’ny vahoakan’Ivato.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.