Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fampihorohoroana sy asan-dahalo: “Wanted” i Jerison, 2 000 000 Ar ho an’ireo mahasambotra azy

Fampihorohoroana sy asan-dahalo: “Wanted” i Jerison, 2 000 000 Ar ho an’ireo mahasambotra azy

Naverin’ny eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena navoaka indray, omaly, ny filazana fikarohana an’i Jerison, antsoina hoe Jerison. Ilay voalaza fa jiolahy raindahiny amin’ny asa fampihorohoroana sy halatra omby any amin’iny faritra Sofia iny. Roa tapitrisa Ar ny hoe homena izay manam-baovao ahazoana misambotra ity olona ity.

Dahalo raindahiny, efa an-taony maro, i Jerison ary nandravarava ny any amin’ny faritra Sofia. Efa natao avokoa ny karazana hetsika sy fidirana an-tsehatra nataon’ny mpitandro filaminana, saingy tsy mbola nahitam-bokany izany ka izao nandraisana fanapahan-kevitra hanomezana tambiny ho an’ireo mahasambotra na manome vaovao amin’ny hisamborana azy ny eo anivon’ny mpitandro filaminana. Anisan’ny asa ratsy vitany sy ireo mpiara-dia aminy vao tamin’ity herinandro ity ny fira antsy sy lefona tamin’ireo solontenam-pokonolona. Miisa

10 lahy ireo nanafika ireo ka naka omby misa 10 tao amin’ny valam-pamonjana Anahidrano, nokasaina hoentina any Anjiamangirina kanefa lasan’ireo dahalo avokoa izany.

Nialoha izany, efa nisy ny “Opération Jerison”, natao ho an’ny rehetra, hikarohana io lehiben’ny dahalo io. Efa nidina tany Anjiamangirina ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovana sady lehiben’ny Emmo any Sofia, ny lietna kolonely Randriamidona Lys Odon.

Tsy nahitana vokatra

Nomena toromarika ireo zandary sy miaramila ary ireo fokonolona amin’ny fanohizana ny hetsika savahao ny kijana maloto ao amin’ny kaominina Anahidrano sy Anjiamangirina ny tenany hamongorana an’i Jerison sy ny forongony ary ireo tambajotran-dahalo any amin’ny distrikan’Antsohihy. Efa navoaka koa ny filazana fikarohana. “Ahafahantsika mifanampy na amin’ny loharanom-baovao fotsiny aza”, hoy ihany izy.

Etsy andaniny anefa, nametraka ahiahy amin’ireo tompon’andraikitra sasany ho mpiray tendro amin’i Jerison ny solontenan’ny mponina tonga eto Antananarivo. Efa nanao ny dingana rehetra izy ireo, ankoatra ny fampanantenana ny hamonogorana tanteraka ireo dahalo. “Tsy nahafa-po sy tsy nahitana vokatra izany”, hoy izy ireo.

Araka izany, manatona ny tobin’ny zandary na manampahefana akaiky ireo manana vaovao na koa mahasambotra ity dahalo ity ary hahazo tambiny, roa tapitrisa ariary.

Synèse R.

 

Laharana antsoina – 119 – numéro vert

– 0341400542: commandant de groupement Sofia (Antsohihy)

– 0341400544: commandant de compagnie Antsohihy

– 0341401338: commandant de compagnie Boriziny

– 0341401375: commandant de compagnie Mandritsara

Les commentaires sont fermées.