Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Efa nahazo 65 tapitrisa Ar…: saron’ny polisin’ny BC ilay vehivavy misoloky mampitombo vola

Efa nahazo 65 tapitrisa Ar…: saron’ny polisin’ny BC ilay vehivavy misoloky mampitombo vola

Naiditra am-ponja avy hatrany rehefa avy natolotra ny fampanoavana ny vehivavy iray malaza ratsy amina fisolokiana avolenta.

Milaza izy fa hoe afaka mampitombo vola ka mindram-bola amin’olona… Ny polisy misahana ny heloka bevava (BC) no nahasambotra ity mpisoloky gagivavy ity. Araka ny fanazavan’ny polisy, tsy latsaky ny 15 ny fitoriana voarain’izy ireo momba ity vehivavy mpisoloky ity. Mody mandresy lahatra olona hampindram-bola azy ka hampitomboany avo roa heny izany rehefa tonga ny fotoana hamerenany ny vola. Maro ireo olona resy lahatra ka nampindrana azy, misy ireo tafaverina soa aman-tsara ny vola ary nahazo tombony tokoa. Tamana ireo olona ary notakiny vola misimisy indray mba hampiasaina ka nanome tsy am-pisalasalana tokoa ireo olona. Milaza ihany koa izy fa hoe manana tetikasa ho fanampiana ny tantsaha ka miresaka amin’ireo olona vonona hampiasa vola indray fa haveriny avo roa heny. Maro koa ireo tafaroboka nanome vola azy. Misy hatrany amin’ny 65 tapitrisa Ar ny vola samboriny amin’ireo olona solokiny. Ny fomba fanaony, ireo vola nosamboriny ireo ihany no hamerenany ireo vola nalainy tany an-kafa hoentiny manome toky ilay mpampindram-bola. Fitaka avolenta anefa ny ambadik’izany. Rehefa tonga ny fotoana nifanarahana hamerenana ny vola, arirarirany eny fotsiny ilay tompom-bola ary tsy hita intsony izy aorian’izay. Tsy misy koa ilay tetikasa lazainy fa fomba akany vola ankolaka amin’ireo olona solokiny, raha ny fanazavan’ny polisy hatrany. Tratra ihany anefa izy taorian’ny vela-pandrika nataon’ny polisy. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy.

Jean Claude Sary Mpisoloky

Les commentaires sont fermées.