Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ady amin’ny asan-dahalo…: omby 4 222 tafaverin’ny miaramila ZRPS, dahalo 126 tratra

Nahitam-bokany hatrany ny ezaka nataon’ny Tafika malagasy, araka ny tatitra nampitain’ny Praiminisitra, i Ntsay Christian (PM), nandritra ny tatitra nataony momba ny zava-bitan’ny governemanta. Teo amin’ny asan-dahalo eny ambanivohitra, omby miisa 4 222 no tafaverina amin’ireo omby 7 732 lasan’ny dahalo niantsoana ny tafika, dahalo 126 tratra raha basy 114 notazonina ary fahana miisa 139 sarona. Ho an’ny fotodrafitrasa sy ny fampitaovana kosa, toy izao ny ezaka natao, araka ny fanazavan’ny PM: ho an’ny faritra ambanivohitra mitaky fandriampahalemana maika (Zones rurales prioritaires de sécurité na ZRPS) miisa efatra efa niaraha-nahita ny vokatry ny asan’izy ireny tany amin’ireo faritra mena amin’ny asan-dahalo. Toby miisa dimy ny naorina ho an’ireo Beholahy mpiaro antomotra (Base opérationnelle avancée na BOA) any Tsaratanàna, any Iakora, any Morafenobe, any Ambatofinandrahana ary any Ankilizato. Efa manomboka ny fitokanana ireo toby rehetra ireo ankehitriny. BOA miisa dimy hafa kosa ny eo an-dalam-panamboarana: ny ao Ankazoabo Atsimo, ny ao Miandrivazo, ny ao Isandra, ny ao Andriry Betroka ary ny ao Kandreho. Andiany mpiaro manokana (DSS) miisa efatra ny efa vita tanteraka ao Vondrozo, ao Amboasary Atsimo, ao Befotaka ary ao Ambohimahasoa. Ezahina ny hamitana ny DSS ao Mitsinjo, ao Soalala, ao Vangaindrano, ao Anjozorobe, ao Mandritsara ary ao Vohipeno. Hisy koa ny fampitaovana maro isan-karazany ho an’ny Tafika malagasy sy ny fanatsarana ary ny fanarenana fotodrafitrasa maro manerana ny Nosy, araka ny fanazavan’ny PM.

 Jean Claude

Les commentaires sont fermées.